... L' Eternel est mon berger ...
   
Hira fiderana ho Anao ry Ray

Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay
Hira mampifaly, mampitony jaly
Mampiravoravo fo

(Rakotomamonjy Mialy - FF 45)

Music is a moral law, it gives soul to the universe, wings to the mind, flight
to the imagination and charm and gaiety to life and to everything
(Plato)

Music is the meditation between the intellectual and the sensuous life.
Magical music never leaves the memory
(Ludwig van Beethoven)

 

LYRIQUES EVANGELIQUES MALAGASY

Harena sy fananako
Ianao Jesô no manasitrana ahy ; Ka tsy hanafenako ny aretiko
Ny indrafonao tsy hay faritana ; No manamaivana ny zioga entiko
Ianao ilay nihombo teo Kalvary ; No anankinako ny fiainako
Ianao mahita ny adin-tsaiko ety ; No antenaiko hampody ny marainako

Fiv :
Tsy avelako Ianao Jesôsy ô ! Raha tsy mandray ny tanako
Ka idongiako tsotra izao Ho HARENA SY FANANAKO
Mba manana an'iza moa aho ? Fa Ianao no Tokiko !
Matoa miantoraka Aminao ; Ry Raiko sady Zokiko

Inty aho Jesô raha toa ka sitrakao ; Miaraka amin'ireo halotoako
Manolo-tena ho diovinao ; Manorina Aminao ny finoako
Na toa ny voatsinampy bitika ; Ka avelanao hiantefa ao am-po
Ny sombin-dranao mba mipitika ; Izay dia efa ampy hanadiovana ahy tokoa

Ny fahotan'izay mangeja ahy ; Ka toa mampisaraka ahy Aminao
Dia ivalozako eto anio ry Ray ; Mba ahazoako ny fiainan-baovao
Koa hamasino ho mendrika Anao ; Mba ho voninahitrao ry Ray Tsitoha
Izao fanoloran-tenako izao ; Ampio hahay hifikitra Aminao tokoa

AMAF (Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Mars 1998)

Hiara-mandeha Aminao
Hiara-mandeha Aminao hatrizao Jesô no iriko tokoa,
O raiso ny tanako hatsotra Aminao, Fa atolotro koa ny fo

Fiv :
Handroso isan'andro na aiza aleha ; Na mora na sarotra atao
Tsy hiala tokoa na hivadika re ; Ambara-pahatonga Aminao (2)

Hiara-miasa Aminao hatrizao ; Jesô no iriko tokoa,
Ka hanana fo antra toy ny Anao ; Hanarina ny efa voa

Raha avy indray tsy ho ela Ianao ; Izaho handao ny ety
Hiaraka amin'ireo navotanao ; Handova ny lanitra ery

Fiv farany :
Ho sambatra indrindra ho tretrika koa ; Hanatrika ny Tavanao
Kanefa izay hafaliako tokoa ; Hiara-mitoetra Aminao (2)

(Souvenir : Nandraisana ahy ho Mpandray - 05 Jan 1992)

Ray ô !
Ray ô ! Mamin'ny foko ny eo anilanao
Ray ô ! Izany no iriko tano aho sao saraka Anao

Fiv :
Ray ô ! Ray ô ! Anilanao Raiko ô ! (bis)

Ray ô ! Vonon-kanompo raha eo anilanao
Ray ô ! Mitafy nofo tano aho sao saraka Anao

Ray ô ! Olon-kandalo ento aho anilanao
Ray ô ! Be fahavalo tano aho sao saraka Anao

Ray ô ! Anilanao Raiko feno ny soa
Ray ô ! Saraka Anao 'zany no loza tokoa

(Source : FJKM Andravoahangy Fivavahana)

Izaho ry Jesôsy
Izaho ry Jesôsy dia vonona izao ; Vono-kitsangana hanaraka Anao
Kanefa Jesôsy malemy tokoa ; K'avia re tantano dia ho tafita soa

Fiv :
Jesô malala ô ! Mpamonjy tia ; Raiso re fa ondry mania,
Jesôsy tantano, tantano izahay ; Tantano Jesôsy sao lavo eto indray

Fa ny fahotako dia maro tokoa ; Ka tsy mba mendrika Anao Tompo soa
Nefa ny avotra tao Kalvary ; Tokiko mandra-pialako ety

Ny foko Jesôsy, atolotro Anao ; Mbola maloto kanefa sasao
Eny Jesôsy, sasao ho madio ; Ao re mitoetra manomboka anio

Ny tenako rehetra dia vonona izao ; Vonon-kanefa izay sitrakao
Aina no fetra hanarahako Anao ; Raiso aho Jesôsy mba ho mendrika Anao

Fanahy Masina ô ! Tsinjovy izahay ; Tsinjovy hahita ny lapan'ny Ray
Midina Jesôsy ety aminay ; Midina Jesôsy, ka raiso izahay

(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Mars 1999)


Rado R. Ratsimbazafy 1997
(sur Paintbrush 3.1)

Eo ambany fahasoavanao
Fantatrao fa tsy tanteraka aho ry Tompo ô ! Nefa endrey fa nanankinanao asa
Tao anaty alin-kisa no niantsoanao ahy ; Mba ho isan'ireo irakao

Fiv :
Inona e, Raiko ô, no hatahorako ; Raha Ianao no mitsilo 'zany diako ?
Izay miaraka Aminao e tsy mba manana ahiahy ; Fa mahery matoky am-panahy

Tsy miafina Aminao ny halotoako ry Ray ; Koa hamasino ho mendrika Anao
Ka mba ho eo ambany fahasoavanao tokoa ; No hanekeko ho irakao

Hiainga aho hamakivaky lalan-tsarotra ; Mety ho kivy satria nofo ihany aho
Rehefa injay fa mila hiraviravy tanana ; Mba misehoa Ianao

... Eo ambany fahasoavanao

Jordan - AMAF
(Source : FJKM Andravoahangy Fivavahana)

Endrey ny Fitiavan-dehibe
Endrey ny Fitiavan-dehibe ; Nomenao ry Jesô ho ahy re
Ny Ranao latsaka, no fanavotana ; Endrey ny Fitiavanao Jesô

Jesôsy Tompo tia no miantso anao ; Milaza hoe : " ny ota avelao ! "
Ny lalanao hazava, ny aizina hisava ; Jesôsy Tompo tia no miantso izao

Fiv :
O mba hevero izao Ilay Tompo tia Mpamonjinao
Ny Ainy natolony, hamonjy ny olony

Seigneur, Tu m'as aimé tel que je suis ; Tu as illuminé ma pauvre vie,
Ma route est éclairé, mon âme libéré ; Seigneur, Tu m'as pris tel que je suis

Jesô, raiso ny fiainako ho Anao ; Ny foko tsy madio mba sasao
Ho lapanao ho soa, mamiratra tokoa ; Jesô, raiso ny fiainako ho Anao

BRUNO SY MALALA
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Juin 1996)

Dieu Tout-Puissant
Dieu Tout-Puissant, Quand mon coeur considère
Tout l'univers créé par ton pouvoir ;
Le ciel d'azur, les éclairs, le tonnerre,
Le clair matin ou les ombres du soir
De tout mon être, alors s'élève un chant }
" Dieu Tout-Puissant, que Tu es grand ! " } bis

Quand, par les bois, Ou les forêts profondes,
J'erre et j'entends tous les oiseaux chanter,
Quand, sur les monts,la source avec son onde,
Livre au zéphyr son chant doux et léger
Mon coeur heureux s'écrie à chaque instant }
" O Dieu d'Amour, que Tu es grand ! " } bis

Mais quand je songe, O sublime mystère !
Qu'un Dieu si grand a pu penser à moi ;
Que son cher Fils a porté ma misère,
Et que je suis l'héritier du grand Roi
Alors mon coeur redit, la nuit, le jour : }
" Que Tu es bon, ô Dieu d'Amour ! " } bis

Quand mon Sauveur, Eclatant de lumière,
Se lèvera de son trône éternel,
Et que laissant, Les douleurs de la terre,
Je pourrai voir les splendeurs de son ciel
Je redirai, dans son divin séjour : }
" Rien n'est plus grand que ton Amour ! " } bis

H. ARNERA
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Oct 1992)

L'Eternel est mon Berger
L'Eternel est mon berger, je ne manquerai de rien ; Il me fait reposer dans de verts patûrage
Il me dirige près des eaux paisibles ; L'Eternel est mon berger, je ne manquerai de rien (Bis)

Quand je marche dans la vallée De l'ombre de la mort ; Je ne crains aucun mal car Tu est avec moi
Ta houlette et ton bâton, voilà mon réconfort ; L'Eternel est mon berger, je ne manquerai de rien (Bis)

FARA ANDRIAMAMONJY
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Nov 1998)

 

Comme un enfant
Comme un enfant qui marche sur la route ;
Le nez en l'air et les cheveux au vent ;
Comme un enfant qui ne flaire aucun doute
Et qui sourit en rêvant

Réf :
Me voici (bis), Seigneur (bis), me voici comme un enfant (le tout bis)

Comme un enfant qui tient la main de son père ;
Sans bien savoir où la route conduit ;
Comme un enfant chantant dans la lumière,
Chante aussi bien dans la nuit

(Source : Raivo Ratsimbazafy - 1986)

L' Esprit Content
L' Esprit Content c'est un trésor ; Des plus précieux que l'on connaisse ;
Car il vaut mieux que beaucoup d'or ; Contentement passe richesse.
Il ne dépend, ni de l'argent ; Ni d'un ciel bleu, ni d'aucun lieu,
De rien enfin, ni de personne ; L' Esprit Content, Jésus le donne !

A qui devient enfant de Dieu, Echoit le vrai bien qu'il souhaite ;
Le reste alors compte si peu ; Pourquoi faut-il qu'on s'en inquiète ?
Celui qui croit, se sent le droit ; D'avoir toujours, aide et secours.
Tandis qu'ailleurs on se tourmente, L' Esprit Content s'élève et chante !

L' Esprit Content, c'est voir en tout, La main de Dieu guider les choses
Où les épines sont partout, Il aime à découvrir les roses.
Et si l'on craint le lendemain, Il ne vit lui que d'aujourd'hui
Dans l'assurance bien certaine Qu'à chaque jour suffit sa peine !

Ce privilège du chrétien : " L' Esprit Content quoi qu'il arrive ! "
L'as-tu trouvé (reçu) ? Retiens-le bien, Que rien ici-bas ne t'en prive
Témoigne ainsi de ton souci, D'honorer Dieu comme Il le veut
A t'en blâmer si même on trouve, Qu'importe, le Seigneur t'approuve !

LES CAPITAINES ROTH
Centrale Internationale des Disques Evangéliques
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - vers 1982)

Isika rehetra izao
Isika rehetra izao ry lahy e, foto-kazo iray ; 'Ndreo ianareo, 'ndreto izahay
Isika rehetra izao re roy e, tsy zovina koa ; Tsy misy olon-kafa, na hoe iza moa ?

Fiv :
Raha sendra fifaliana, miara-mifaly avanja ; Raha sendra fahoriana, miaraka milanja
Satria voafehin'ny fifankatiavana ; K' aza misy izay mba miavangavana

Ny maty aza mantsy lahy e, hoy ny teny hoe ; Any am-pasana, te ho marobe
Isika 'zay velon' aina roy e, moa ambaka ve ? Aoka tsy hifandaka toy ny valala e !

NY VOANIO
(Source : Teraka Ratsimbazafy : T.I.R. - Juillet 1986)

RATSIMBAZAFY Ravo Nomenjanahary & Pierrette
RATSIMBAZAFY Ramy Solomampionona
(pour tous les fichiers Midi)

co-webmasters
14 fév 2007

 
 
  Contact : r_ravo@hotmail.com